Mpanampy an-trano : Nentiny nitsoaka ny 3 tapitrisa Ar sy zaza iray

Lasa nitsoaka niaraka ta­min’ny vola mitentina 3 700 000 Ariary sy ankizivavy 14 taona, kilasy fahavalo, ny lehilahy 21 taona, antsoina hoe: Tia­vina, afakomaly hariva. Mpa­nampy an-trano tetsy Ano­sibe Tsena izy io. Mpi­va­rotra yaourt mandehandeha ny asan’ny renin’ ilay ankizi­vavy nitsoaka nia­raka tamin’io mpanampy io. “Lasa nivarotra maraina toy ny mahazatra aho ary akory ny hatairako rehefa nahita tara­tasy nisy hafatra nipetraka teo ambony Yaourt, nony tafave­rina ny hariva”, hoy ny renin’ ilay ankizivavy. “Handeha aho ry mama, ary mbola hiverina, hitondra fahasambarana ho anao….”, anisan’ny voasoratra tao anatin’ ilay taratasy. Tsy tao intsony ny zanakovavy, efa nataony avokoa ny raharaha fanaony andavanandro, efa vitany tao daholo ny yaourt hamidy ny ampitso, hatramin’ny sakafo hariva efa masaka daholo. Nanambara ny renin’ilay ankizivavy fa tsy nisy ady na fifandirana teo amin’izy mianaka talohan’io fotoana io.
Efa natokisana tanteraka

Efa notaizaina sy efa niasa nandritra ny herintaona ma­hery tato aminay io lehilahy nitsoaka io. Niasa mamoaka entana isaky ny maraina sy manatitra “versement” isaky ny hariva ny anjara asany. Nampanaterina izany toy ny mahazatra izy sy ny tovolahy iray, afakomaly. Variana ni­foka sigara ilay tovolahy nia­raka taminy, izy kosa efa tsy hita, raha ny fanazavana voaray. Efa nokarohina tamin’ny toerana rehetra saingy tsy hita. Tonga tany an-trano ny maman’ilay ankizivavy rehefa hariva ny andro. Nilaza ity farany fa lasan’io tovolahy io nitsoaka ny zanany.
Raha ny fantatra, efa voahomana mialoha ny fitsoa­han’izy roa ireo satria efa nampitady tsena hivarotana ihany koa izy talohan’izao fandosirany izao. Efa nametraka fitoriana eny anivon’ny CSP 5 Mahamasina ny mpampiasa sy ny renin’ilay ankizivavy.

Mino

Partager sur: