Notanan’ny zandarimariam-pirenena natao fanadihadiana ireo efa-dahy ahina ho tompon’antoka tamin’ny vonoan’olona niharo fandrobana tao Ambalafarihy, Sonierana, kaominina Ambohimanga Atsimo, distrikan’Ifanadiana, omaly. Raim-pianakaviana iray mpividy volamena hita faty rakotra tsatoka antsy tao amin’io kaominina io, afakomaly. Nivoaka ny trano fonenany io lehilahy io ary nitondra vola 3 000 000 Ar. Nentiny nanaraka azy koa ny mizàna fandanjana volamena, araka ny fanazavan’ny vadiny izay efa niterahany iray. Tsy naharenesam-baovao intsony anefa rangahy taorian’io. Nikaroka azy ny fianakaviany, kinanjo vatana mangatsiaka no hitan’ izy ireo. Novonoina tamin’ny fomba miharo habibiana io lehilahy io. Tsatoka antsy miisa dimy hitan’ny mpitsabo nisahana ny fizahana tamin’ny vatan’ilay namoy ny ainy. Lasan’ireo tsy mataho-tody avokoa ny vola sy ny fitaovam-piasana teny aminy. Nametraka fitoriana ny fianakavian’ity farany. Niroso tamin’ny fanadihadiana ny zandarimaria miasa ao amin’ ny distrikan’Ifanadiana. Nahitam-bokany izany satria voasambotra ireo olona miisa efatra izay ahina ho tompon’antoka tamin’io vono olona io. Miroso amin’ny fanadihadiana lalina ny mpitandro filaminana ary atolotra ny fampanoavana izy efatra mirahalahy ireo.
Tsiferana R.




