Nivoaka ny bokibe CGES, mirakitra ny fitantanana maharitra ny Faritra arovana. Fiovana lehibe ao anatiny ny hisitrahan’ny mponina eny ifotony ny fitantanana, izay mitaky andraikitra ho azy ireo ihany koa.
Efa tamin’ny taona 2020 no novolavolaina ary nivoaka omaly, ny Rafi-pitantanana ara-tontolo iainana sy sosialy (CGES) ho an’ny Faritra arovana (AP) eto Madagasikara. Zava-dehibe tokoa ny fisian’ity bokibe ity (ahitana 200 pejy), ho fitaovana entina manamafy sy hanatsarana ny fitantanana ny AP. Nilaza ny talen’ny Faritra arovana ao amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd)), Ramatoa Ratefason Tojotsara, fa mifanandrify
amin’ny fanovana tiana hatao amin’izao fotoana izao ny fivoahan’ity boky ity. Anisan’ ny mampiavaka azy ny fisian’ ny fiantraikany ny fitantanana any amin’ny mponina eny ifotony. Tsy maintsy hojerena ny hevitra sy ny momba azy ireo. Mitaky andraikitra amin’ny mponina eny ifotony koa anefa izany. Zava-baovao, voarakitra ao anatin’ny CGES, ny fisian’ny Fifanarahana ny ftantanan’ny vondrom-piarahamonina. Izany hoe, iarahan’ ny mpitantana amin’ny mponina eny ifotony ny fitantanana ny Faritra arovana. Lasa tompon’antoka izy ireo fa tsy mpiara-miombon’antoka intsony. Nampidirina ao anatin’ ny CGES ny fitantanana ny fihainoana ny fitarainan’ny mponina. Eo koa ny lalantsaina sy ny fenitra entina hampanarahana amin’ny lalàna ny fitantanana.
Fikarohana siantifika
Anisan’ny nandray anjara tamin’ny fikarohana ara-tsiansa, Ramatoa Rakotonarivo Sarobidy, manam-pahaizana mpikaroka avy ao amin’ny tetikasa Mirari. Nasongadiny fa nifototra tamin’ny fikarohana avokoa ny namoahana ny CGES.
Ny fiantraikan’ny fisian’ny angon-kevitra ao anatiny sy ny fampiasan’ny mponina ny harena voajanahary toy ny fanimbana ny ala, ohatra. Misy koa anefa ny vahaolana noraisina, nentin’ireny tetikasa amin’ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary ireny.
Misy bokikely mamintina sady mora azon’ny rehetra ny CGES, ary haparitaka manerana ny faritra.
Njaka Andriantefiarinesy




