TSELATRA

Vehivavy telo voasambotry ny polisim-pirenena teny Andraisoro, ny 9 desambra 2025, tokony ho tamin’ ny 11 ora atoandro, lasa teo. Niditra an-keriny tao amina tokantrano iray teny Andraisoro Ampasambahiny izy ireo. Nofatorany ny mpanampy tao amin’ilay trano ary nalain’izy ireo ny vola 2 000 000 Ariary, tablette iray, finday telo ary fitaovana fikojakojana amin’ny taovolo. Nahatsikaritra izany ny mponina teny amin’ny manodidina ka nampandre ny polisy.
Nidoboka vonjimaika am-ponja, ny 9 desambra 2025 lasa teo, ny lehilahy iray mpanao sinto-mahery any Manjakandriana. Voasambotry ny polisy teo am-panao­vana ny asa ratsy izy ny marain’ny 8 desambra 2025 teo. Efa nampimenomenona olona maro teny an-toerana amin’ny asa fanendahana izy io. Tonga nitory teny amin’ny biraon’ny polisy ny vehivavy iray lasibatr’izany asa ratsy izany ka natao ny fanaraha-maso. Nangalatra findain’olona iray izy ary nikasa handositra, izao tratra izao.
Lehilahy sy vehivavy iray, voarohirohy tamin’ny famonoana dokotera iray tany Ambanja voasambotry ny polisim-pirenena. Nisy namono tany Tanambao V, Am­banja, ny 21 novambra 2025 tolakandro, ny dokotera iray 46 taona, miasa ao Ambanja. Natao ny fanadihadiana ka fantatra fa ny mpanampy azy no namono azy, izay efa ni­tsoaka nandositra. Natao ny fikarohana ka tratra tao Am­bo­sitra, ny 02 desambra 2025 teo, ilay lehilahy, raha voasambotra ny 03 desambra 2025 tao Ambositra ilay vehivavy. Mpanampy an-trano tao amin’io dokotera io ity farany.

Partager sur: