Mitohy ny fakankevitra niarahana tamin’ireo mpandraharaha amin’ny harena an-kibon’ny tany. Nifantoka tamin’ny famaritana ireo «Akora mineraly stratejika» (SMS) misy eto Madagasikara ny natao teny amin’ny BCMM Ivato, omaly. Nambaran’ny minisitera fa tafiditra ao anatin’ny fanadiovana sy fanovana ity seha-pihariana ity isika izao. Dingana vitsy sisa dia ho afaka hitrandraka amin-kalalahana ny rehetra mahafeno fepetra.
Natomboka omaly, ny fampiofanana nasionaly momba ny fampiasana ny niomerika. Ao anatin’izany ny fampiasana ny vovonana Web nohatsaraina sy ny «application mobile» ampiasana finday. Tafiditra ao anatin’ny Tetikasa vonjitaitra hanamafisana ny famokarana sakafo (Purpa) ny hetsika, izay tohanan’ny Bad ara-bola, eo ambany fiahian’ny minisitera Minae. Tanjona ny hanafainganana ny fomba fiasa amin’ny fanohanana ny tantsaha mpamokatra.
Hatsangana any Toamasina ny Akademian’ ny Fadintseranana. Nosafidiana manokana i Toamasina, satria toerana stratejika amin’ny fifanakalozana ara-barotra amin’ny any ivelany. Any an-toerana ihany koa ny seranan-tsambo lehibe indrindra eto amintsika sy ny seranam-piaramanidina ary faritra indostrialy maro, azon’ny mpianatra manao fizarana asa ifotony. Fotodrafitrasa ahitana efitrano fianarana, laboratoara, toerana fanaovana andrana, sns.




