Namoaka fanambarana ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana fa atao malalaka ny vidin’ny lavanila manoloana ny fitobahan’ny tahiry eto an-toerana sy eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Fepetra noraisin’ny komity teknika momba ny lavanila izay misy ny fiadidian’ny Repoblika, ny Primatiora sy ny minisitera samihafa izany. Tanjona ny hahafahan’ireo mpisehatra manitsy malalaka ny fifanakalozany araka ny zava-misy marina eo amin’ny tsena, raha ny nambarany. Na izany, misy ny refim-bidin’ny vokatra izay natao hamantarana ireo vidin’entana diso ambany loatra ka mety hanimba ny tsenan’ ny lavanila malagasy. Araka izany, misanda 15 dolara/kg ny refim-bidiny ambany (Fob) ny vovoka lavanila. 25 dolara/kg kosa izany ho an’ny lavanila mena, raha 50 dolara/kg ho an’ny lavanila mainty (Gourmet). Nilaza ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana fa mety hanimba ny fifaninanana eo amin’ny tsena ny fametrahana ny vidin’ny lavanila ambany loatra. Nivoitra tao anatin’ny fanambarana fa tsy vidiny ambany indrindra an-tery ny vidy amin’ny refim-bidy ary tsy misakana ny fivarotrana ambany ny mari-petra natao, saingy tsy afaka haondrana ny vokatra amidy amin’ny vidiny ambanin’izay voatondro. Andrasana amin’ny orinasa mpanondrana, araka izany; ny hanamarinany ny fahatomombanan’ny fifanakalozana sy hisorohana ny varotra amin’ny fatiantoka na hadisoam-panambarana ara-ketra na eny amin’ny fadin-tseranana.
Henintsoa




