Ambohimanga Rova: Hamafisina ny fiarovana

Tonga nitsirika teny amin’ny vohitr’Ambohimanga, misy ny Rova, ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, Mandrin­drarivony Ogascar, omaly. Nomarihin’ny minisitra fa mirakitra tantaram-pirenena maro sy soatoavina tsy manam-paharoa maneran-tany ny vohitr’Ambohimanga, izay mbola mitahiry ny vakoka efa an-jato taona maro, toy ireo fanaka sy ny endriky ny toerana ary ny fombany, ka antony nahatonga azy voasokajy ho harembakoka iraisan’izao tontolo izao, eo anivon’ny Unesco.
Noho izay, hamafisina ny fiarovana ny toerana manoloana ireo ambana maro samihafa. Eo koa ny fikajiana ny vohitra, izay misy ireo toerana manan-tantara maro mbola voatazona amin’ny endriny taloha. Ankoatra izay, omena tombony koa ny teratany malagasy te hitsidika ny toerana. Maimaimpoana, ohatra, ho an’ireo ankizy hanala ny fanadinana Cepe, mba hifanakaiky amin’ny tantaram-pirenena.

Zo ny Aina

Partager sur: