Asan-jiolahy ao Fandriana : Vehivavy roa namoy ny ainy

Maty vokatry ny tifitra na­taon’ny mpandroba azy ny ve­hivavy zanaky ny tompon-trano tao amin’ny tokantrano iray tao Ambohidralamanga, distrikan’i Fandriana, omaly maraina tamin’ny 2 ora. Nidi­tra an-keriny tao an-trano ny mpandroba. Nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika ireto farany. Nanery ny tompon-trano hamoaka vola. Tsy nisy alaharo, nanambana fi­taovam-piadiana avy hatrany tamin’ireo olona tao an-trano ny mpandroba. Lasibatry ny herisetra nataon’ny olon-dratsy ny zanakavavin’ny tompon-trano. Namoy ny ainy ity farany vokatry ny fahaverezan-dra be loatra. “Tsy nahazo na ino­na na inona tao amin’ilay to­kantrano ireo mpanao ratsy”, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny fokontany voakasika.
Ankoatr’io, tovovavy vao 16 taona hita faty nisy namono tao Ankarahoatra, fokontany Maharivo, kaominina Fan­driana, ny alarobia 10 desambra teo. Mpianatra eo anivon’ny Lycée ao Fandriana io hita faty io. Notsatohan’ireo tsy va­lahara antsy ny lohany ary nisy diam-pamaky ny vatany. Miantso ny tomponandraikitry ny filaminana hanamafy ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ao an-toerana ny mponina. Miaina anaty tebiteby tanteraka izy ireo amin’izao fotoana. Etsy ankilany, nanokatra fanadihadiana momba ireto tranga roa niseho tao anatin’ny roa andro ireto ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Andrasana ny tohin’ny raharaha.

Tsiferana R.

Partager sur: