Natao nandritra ny roa andro, ny 9 sy 10 desambra teo, teto Antananarivo, ny fikaonandoha mifantoka amin’ny hisian’ny fampandrosoana maitso eto Madagasikara. Nandray anjara tao ny ankamaroan’ny mpisehatra avy amin’ny fanjakana, ny tsy miankina, ny manampahaizana ara-toekarena sy ny ara-tontolo iainana eto an-toerana sy avy any ivelany. Nohazavain’ny filohan’ny Filankevi-pitantanana ao amin’ny Indri, Ramaholimiaso Barijaona, fa anisan’ny mpikarakara ny fifanekena natao, hanolo-tena hiara-kiasa, hikendry ny hampandrosoana an’i Madagasikara. Tanjona ny hisian’ny fampandrosoana mampiaty, zarain’ny rehetra, hisian’ny fampandrosoana maitso. Satria maro ny seha-pihariana miankina amin’ny zavaboahary eto amintsika. Anisan’ny niarahana namolavola ny sehatry ny fambolena, ny angovo, ny fizahantany, sns.
Hojerena ny laharam-pahamehana
Nomarihin’ny PCA Ramaholimiaso Barijaona, fa mampiavaka ity fifanarahana fanoloran-tena ity ny hijerena ny laharam-pahamehana hotanterahina maika. Misy ny rafitra fanaraha-maso sady manetsiketsika ny fanatanterahana azy. «Isika malagasy no nanana finiavana nanao azy, ary inoako fa manaraka ho azy ny mpiara-miombon’antoka sy ny mpamatsy vola, izay tsy nataon’ny mpitondra teo aloha», hoy ihany izy.
Niaraka nikarakara ny hetsika ny Indri, ny Miarakap, ny Economic Policy Network ary ny Kinome.
Njaka A.




