Hisy fahabangan-toerana maharitra ny Antenimierandoholona noho ny fanafoanana ny fifidianana loholona, tokony hatao amin’ity volana ity. Nambaran’ny filohan’ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, fa miandry ny fanapahan-kevitry ny fikaonandoha ny momba izany. « Afaka miantsoroka ny asan’ny loholona koa anefa ny Antenimierampirenena », hoy izy.
Hentitra Raharimanana Patrick. Tsy tokony ho fitaovana hamelana ireo namotika ny firenena ny fikaonandoha ary tsy tokony nasaina hiatrika ny fanokafana iny fihaonana iny ireo mpomba an-dRajoelina, araka ny nambarany. « Namotika ny firenena ireo ary fanaovana tsinontsinona ny tolom-bahoaka ny fanekena fiaraha-midinika amin’izy ireo », hoy izy.
Nambaran’i Paraina Auguste fa tsy tokony hafangaro ny resaka. Nohitsiny fa fanavaozana sy fanorenana izao no hirosoana. « Tsy misy resaka fampihavanana izany. Tsy mampandroso antsika io tsimatimanota io ka tena mila jerena tsara », hoy izy. Anisan’ireo niatrika ny fanokafana ny fikaonandoha teny Ivato ny tenany.
Tsy ny fiverenana an-dalambe no ahafahana manohy ny tolona, araka ny nambaran’ny Gen X Y Z teny Ivato, afakomaly. Hitondra hevitra momba ny tsy fetezana hita ao anatin’ny lalan-kizorana mankany amin’ny fanovana izy ireo. « Lalana hitanay fa tsara ho fanohizana ny tolona izany. Mety misy tsy mety na lesoka fa tsy vahaolana ny fiverenan-dalana », hoy izy ireo.




