Fiaraha-miasa amin’i chine : Ho fanatsarana ny fiainam-bahoaka ny Sinoa

Mikendry ny hanamafisana ny tombontsoa ara-drariny, hanatsarana ny fiainan’ny va­hoaka, ary hanohana ny fanatanterahana miaraka ny tetikasa “ Ceinture et route” ny fiaraha-miasa vaovao eo amin’i Chi­ne sy i Madagasikara. Na­neho fahavononana amin’ny fiarovana ny fiandrianam-pirenena sy ny tanin’ny firenena ry zareo Sinoa. Nivoitra ireo ta­min’ny nandraisan’ny filoham-panjakana, Randrianirina Michaël ny masoivohon’i Chine, Ji Ping, teny Iavoloha, tamin’ity herinan­dro ity. Nambaran’ny amba­­sa­daoro, tamin’izany fihaonana izany, ny hikarohana ny lalam-pampandrosoana mifanaraka amin’ny filana sy ny zava-misy eto Madagasikara. Naneho fa­havononana koa ny governemanta sinoa ny hanampy an’i Madagasikara eo amin’ny se­hatry ny toekarena sy ny lafiny sosialy, araka izay tratrany.
Etsy andaniny, nanambara ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika fa hiantoka hatrany ny fiarovana sy ny zon’ireo mpandraharaha sy ny orinasa sinoa eto Madagasikara ny fitondram-panjakana.
Hiara-kiasa eo amin’ny angovo, fotodrafitrasa…
Niray feo ny andaniny sy ny ankilany tamin’izao fihaonana izao ho amin’ny fahavononana hiara-kiasa amin’ny sehatra samihafa. Anisan’iza­ny ny lafiny fambolena sy ny eo amin’ny fotodrafitrasa. Ma­nampy izany koa ny sehatry ny angovo sy ny eo amin’ny harena an-kibon’ny tany.
Ankoatra izany, hiara-dia amin’ny fiatrehana ny fanamby iraisam-pirenena amin’ny fiarovana ny tombontsoan’ny firenena an-dalam-pandrosoana sy amin’ny fanamafisana ny fandriampahalemana ary ny fampandrosoana ma­haritra maneran-tany ny firenena roa tonta.

Synèse R.

Partager sur: