Maro ny zava-takin’ny firenena mba hiarenany ho any amin’ny tsara kokoa. I Madagasikara sy ny fiainam-piarahamonina ao anatiny. Mila raiamandreny.
Iray amin’ireo lamina voajanahary narahin’ny Malagasy ny fanajana sy ny fifanajana. Anisan’ny isongadinan’izany ny fifandraisana sy fifamatorana misy eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka. Ny anti-panahy sy ny tanora. Ny zoky sy ny zandry, sns. Lamina voajanahary faharoa. Manana ny hery sy ny hasiny ny teny malagasy. Tahaka izany ihany koa ny vava miteny. Ny fahafantarana ny vokatr’ireo no nitandreman’ny Malagasy fatratra ny aloaky ny vavany. Nampandaitra ny tsodrano sy ny firariantsoa, nomeny, sns. Ireo rehetra ireo, samy nampiavaka sy nampisongadina ny fiarahamonina malagasy tany ambadik’Imanareza.
Ireo raiamandreny fotsivolo amin-tany no notolorany haja, nomeny voninahitra. Tsy nisy fitsapam-pahaizana na fanadinana. Tsy nisy mari-pahaizana. Tsy nisy voninahitra notakina tatsy na taroa, sns, tahaka ny fahita any amin’ny firenena hafa. Ny fiarahamonina no nametraka ny olona iray na maro ho « raiamandreny » noho ny fahitana azy ireny fa anti-panahy, itoeran’ny fahalalana sy fahendrena. Vato namelan-kafatra. Manana hery sy hasina goavana be tsy voarefy io teny na anarana « raiamandreny na ray aman-dreny » io. Nanana adidy lehibe teo amin’ny fiarahamonina izy ireny.
Ny fananan’ny fiarahamonina raiamandreny (ray aman-dreny), anti-panahy, olon-kendry, sns, no anisan’ireo antoka lehibe mampandroso ny faritra na toerana na firenena. Saingy, ankehitriny, maro ireo mitolo-tena na mety misandoka ihany koa ho raiamandreny. Ao koa ireo mihevitra fa ny toerana na andraikitra hametrahana azy (voatendry, na voafidy) no mametraka ho azy ho « raiamandreny ».
HaRy Razafindrakoto




