Nifanakalo hevitra tamin’ny governemanta ireo fikambanana tanora sasany, omaly. Nahitana ny avy amin’ny « Collectif du mouvement Gen Z Madagascar », ka anisany ny Gen Z Mada, Gen Z Ankatso, Polytéchnique, Tolombahoaka, Assedu-Mada ,Taninjanaka Free.
Nanao fanambarana izy ireo taorian’izany fa mitaky ny sata mazava hifehy ny Tetezamita ifanarahana sy eken’ny rehetra. Takin’ izy ireo koa ny fandravana sy fanavaozana ny HCC sy ny Ceni ary ny parlemanta.
Ankoatra izany, Eo koa ny fanomanana hiarahana ny fikaonandoham-pirenena. « Tena mba hisokatra tanteraka amin’ny olona sy ny hery velona rehetra, miainga eny amin’ ny fokontany fa tsy fikambanana tokana ihany no hitarika izany », hoy izy ireo. Nohamafisin’ny fanambarana fa ilaina sy tsy maintsy atao ny fanamafisana ny famongorana ara-drariny ireo mpiray tsikombakomba tamin’ny fitondrana teo aloha.
Anisan’ny antony nahatonga azy ireo manao ny fanambarana ny fahitana fa tsy mbola voaaro ny feo sy ny toeran’ny tanora ao anatin’ny fandaminana ny fikaonandoham-pirenena.
Tsy misy antoka mazava ho an’ny tanora
Notsiahivin’ireto tanora ireto fa nanaitra sy nanome soso-kevitra izy ireo tamin’ny fihaonana amin’ny governemanta. «Tsy misy antoka mazava ny fandraisana anjaran’ny tanora amin’ny famolavolana, fanaraha-maso ary fanatanterahana ny fanavaozana», hoy izy ireo. Nohitsin’izy ireo koa fa miaro sy manohy ny rafitra tsy nahomby teo aloha ny valintenin’ny mpitondra amin’ny fanarahana ny Lalàmpanorenana amin’izao fotoana izao ka aorian’ny fikaonandoha vao hapetraka ny satan’ny Tetezamita.
«Manakana ny lalana mankany amin’ny fanavaozana, dradradradraina, izany ka mila miala amin’io rafitra io ny firenena mba hisian’ny fanovana tena izy», hoy izy ireo.
Synèse R.




