Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tany amin’ny RN4, tao Antananarivokely, Maevatanàna, omaly. Fiara roa potika, maro ireo naratra. Tsy mbola voafaritra ny isan’ny namoy ny ainy, hatreto.
Nisehoana lozam-pifamoivoizana tany Antananarivokely, Maevatanàna, omaly. Nifandona teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra iny ny kamiao iray sy fiara 4×4. Noho ny hamafin’ny fifandonana, samy latsaka tany anaty hantsana ireo fiara ireo. Vokany, maro ny olona naratra. Efa nentina nihazo ny hopitaly avokoa moa ireo naratra, taorian’ny tranga. Tonga teny an-toerana nanao ny fanadihadiana sy nijery ny zava-misy ny mpitandro filaminana
Nitrangana fifandonan’ny fiara ihany koa tetsy Imamba Laniera, Lalam-baovao Tsarasaotra, omaly tamin’ny 7 ora sy fahatelony maraina. Nodomin’ny fiara 4*4, Land Cruiser, marika V8, iray avy ao aoriany ny fiara mpitondra entana, marika fourgon. Hitondra cocktail eny Ivato ity fiara niharan-doza ity, raha ny fantatra. Tafavoaka ny lalana ilay fiara mpitatitra entana noho ny hamafin’ny dona nahazo azy. Niainga ny vodin’ny fiara, nitontona mafy tamin’ny tany ny lohany, avy eo nivadika. Vokany, naratra mafy teo amin’ny lohany ny mpamily tao anatin’io fiara niharan-doza io, raha ny fanazavan’ireo olona nanatri-maso ny zava-nitranga teny an-toerana. Taorian’ny loza, nentina teny anivon’ny hopitaly CHU-JRA Ampefiloha avy hatrany ilay mpamily naratra mafy. Nanatrika ny zava-nisy teny an-toerana ny polisin’ny Force d’intervention policier (FIP), nikasa hanao famerenana teny Ivato. Nosamborina ilay mpamilin’ny 4*4 namoa-doza. Mba hisorohana ny mety tsy fandriampahalemana sy ny mety ho fitsaram-bahoaka teny an-toerana no antony.
Nisongona nefa nifanena tamin’ny fiara hafa
Samy avy any Tsarasaotra ireo fiara roa ireo, raha ny fanazavan’ny olona nanatri-maso ny zava-nitranga teny an-toerana. Nandeha mafy sy nisongona ilay fiara mpitondra entana, ilay 4*4. Nisy fiara nipoitra tampoka anefa nifanena taminy, ka tsy afa-niala izy fa voatery nandona ny vodin’ilay fiara teo alohany. Tafainga ny kodiarana ilan’ilay fiara voadona ka nivadika sy tafavoaka ny lalana, raha ny fanazavana voaray. Nitontona tamin’ny tany ny lohany, avy eo nivadika nihorirana. Tonga nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana ny polisy misahana ny fifamoivoizana (BAC), PCR ary ny CUI.
Mino




