Hampitomboina ny vola vahiny miditra eto Madagasikara amin’ny alalan’ny fampakarana ny drakaka haondrantsika any ivelany.
“Ampitomboina 10% ny tahan’ny drakaka velona haondran’i Madagasikara amin’ity taona ity, izany hoe, 1 300 taonina (t)”. Io ny fanazavan’ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Chan Kit Waye. Tanjona, hoy izy, ny hampitombo ny vola vahiny miditra avy amin’ny fitrandrahana ny drakaka ho tosika hampandrosoana ny toekarena manga. Ity farany izay mandray anjara amin’ny fampiroboroboana ny harinkarena faobe. Araka izany, hatsaraina sy havaozina tanteraka ny sehatry ny drakaka mba ho lavitry ny kolikoly, hojerena ihany koa ny vidim-bokatra ka afaka miantsehatra ao anatin’ny tontolon’ny fanondranana avokoa ny olom-pirenena. Ankoatra izay, vita sonia omaly ihany koa ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny minisitera sy ny vondron’ny mpandraharaha mpanondrana drakaka (GPEC). Kendren’ny roa tonta ny hanomezana tantsoroka ireo mpandraharaha sy hidiran’izy ireo eo amin’ny sehatry ny ara-dalàna mba hampakarana ny fidiram-bola vahiny. Tombontsoa iraisana, ho ferana 4 dolara farafahakeliny ny kilaon’ny drakaka, raha ny fanazavana hatrany. Ankilany, tombony ho an’ny mpandraharaha, hoy ny filohan’ny GPEC, Andriamiarisatrana Rocco, ny fidirana ao anatin’ny fikambanana. Afaka manondrana vokatra any ivelany amin’ny alalan’ny taratasy manamarina ny maha matihanina azy ny mpandraharaha iray. Manaporofo izany ny fananany ireo fitaovana sy asa ara-dalàna ary ny kalitao takina amin’ny vokatra. Tokony ho matihanina ireo mpisehatra mba ho eken’ny tsena sy mba tsy ho very vola izy ireo, raha ny fanazavana hatrany
Henintsoa




