Nofatoran’izy telo vavy ny mpanampy ka noraofiny ny vola 2 tapitrisa Ar, niampy finday telo sy kojakoja fikarakarana volo, tao amin’ny tokantrano iray, teny Andraisoro, ny 9 desambra teo. Niditra an-tsokosoko tao amin’io tokantrano io ireo mpanao ratsy. Notanan’izy ireo ilay mpanampy. Tsy nahatohitra ity farany ka nofatoran’ireo tsy mataho-tody. Nosavain’izy ireo ny efitrano. Norobainy ny volan’ny tompon-trano sy ny entana sarobidy. Tsikaritry ny mponina manodidina ny fisian’izany. Nampandre avy hatrany ny manam-pahefana eo anivon’ny polisim-pirenena ny tsara sitrapo. Niatrana avy hatrany tao amin’ny fokontany nitrangan’ny fandrobana ny polisy eo anivon’ny kaomisaria Ambohijatovo. Tratra ireo olona miisa telo. Sarona teny amin’izy ireo ny finday nangalariny sy ny lelavola rehetra. Nesorina ny fatorana nataon’izy ireo tamin’ilay mpanampy. Nentina nihazo ny biraon’ny polisy ireo telo vavy. Tsy ny lehilahy irery intsony, araka izany, fa misy koa ny tambajotram-behivavy miditra an-tsehatra amin’ny vaky trano.
Tsiferana R.




