Fandaharanasa Repair : 100 tapitrisa dolara hiatrehana ny loza voajanahary

Firenena voalohany hisitraka ny Fandaharanasa Repair i Madagasikara. Famatsiam-bola avy amin’ny Banky iraisam-pirenena hiatrehana ny loza voajanahary.

Famatsiam-bola atokana hiatrehana ny fiantraikan’ny loza voajanahary ny Fandaharanasam-paritra ho fiomanana amin’ny asa vonjitaitra sy famerenana amin’ny laoniny ho an’ny rehetra (Re­pair). Sambany no nisian’ity fandaharanasa ity ka firenena telo no hampiharana azy aty am-piandohana (Madagas­kara, Kaomoro, Mozambika). I Madagasikara no voalohany hanombohana izany.
Nohazavain’ny tale jene­ralin’ny Tahirimbolam-panjakana, Ramatoa Ratsiavahana Dorette, fa « firenena 12 no hisitraka ny Repair aty amin’ ny tapany atsimon’i Afrika. Mitotaly 926 tapitrisa dolara ny fampindramam-bola avy amin’ny Banky iraisam-pire­nena, ka natokana ho an’i Madagasikara ny 100 tapitrisa dolara. Hampiasaina hatra­min’ny jona 2026 izy io. Eo ambany fiahian’ny minisite­ran’ny Toekarena sy ny teti­bola (Mef). Mizara telo ny ham­piasana azy. Hatao tahiry ny 15 tapitrisa dolara. Hiasana ny 80 tapitrisa dolara, raha hatao fiantohana ny 5 tapitrisa do­lara. Mifanandrify tsara amin’ny tokony hilàna azy ny Re­pair, satria tena ao anatin’ny vanim-potoan’ny orana sy ny rivodoza isika izao ».
Mitsinjara telo ny lalam-bola hampiasana azy. Voa­lo­hany, hampiasain’ny Fid ha­nohanana ny fianakaviana tena marefo. Faharoa, hotantanin’ny Solidis, hanohanana ny orinasa madinika sy salan­tsalany. Ary ny fahatelo dia ho­tantanin’ny Tahirimbola FNC, ho an’ny kaominina (CTD) sy ny BNGRC. Mian­draikitra ny famolavolana ny asa atao ny rafitra ARC.

Nahatratra 2 miliara dolara ny fatiantoka

Nitentina 2 miliara dolara ny fatiantoka ara-toekarena teto Madagasikara, vokatry ny fandravana nataon’ny rivo­doza Batsirai, ny taona 2022. Ny rivodoza Freddi, ny taona 2023 no naharitra lava indrindra ny fotoana nandalovany teto amintsika. Nahatratra 124 tapitrisa dolara ny fatiantoka ara-toekarena vokatry ny rivodoza Gamane, ny taona 2024, raha ny tatitra voaray.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: