FANTINA sy FINTINA

Nitory ny filoha Rajoelina eny amin’ny Anteni­mierampirenena ny Gen Z. Nanoratra antontan-kevitra sy fitoriana iampangana azy izy ireo ka miompana amin’ny And. faha-131 ao amin’ny Lalàmpanorenana izany. Anisany ny famadihana tanindrazana sy ny fani­tsakitsahana miverimberina ny Lalàmpanorenana. Niantso ireo depiote hankato izany izy ireo.
Hitohy anio, ao Antsirabe, ny fihaonan’ny filoha teo aloha, Ravalomanana, ny any Vakinankaratra rehefa avy nankalaza ny tsingerin-taona nahaterahany tao Andranomanelatra, afakomaly, izy. Hitafa amin’ny vahoaka ao amin’ny Magro Avaratsena ny filoha nasionalin’ny Tim, anio, sady hamelo-maso ny antokony.
Voaheloka higadra 7 taona, asa an-terivo­zona, sy onitra 40 tap Ar ny talem-paritry ny Fambo­lena sy fiompiana Matsiatra Ambony teo aloha. Saron’ ny Bianco any an-toerana ny fanodinkodinana masomboly 40t sy zezika 20t (taona 2016 – 2017). Nafahan’ny fitsarana kosa ireo 5 hafa. Namoahana didy fampisamborana satria tsy hita ny nanjavonan’ity tale ity.
Mitsidika ny any Bruxelles ny minisitry ny Raha­raham-bahiny, Razanamahasoa Christine. Mi­haona sy mifampidinika amin’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny foiben’ny Vondrona eoropeanina ny tenany amin’izany. Anisan’ny efa nihaona taminy ny Sekretera jeneraly lefitra misahana ny raharaha politika, Olof Skoog. Voaresaka ny raharaham-pirenena.

Partager sur: