Mampalahelo ny manjo ireo vahoaka any ambanivohitra rehetra any. Toa hanjakazakan’ny manampahefana sy ny tomponandraikitra mba manana ny fahafahana manao izany. Trangam-piarahamonina sady raharaha politika anisan’ny mampitaraina ny mponina ihany koa ny fomba amam-panaon’ny olom-boatendry sasany. Manao tian-kano tsy tia an-kano.
Hanairana ny minisitra isan’ambaratonga ny mahakasika ny solontenan’izy ireo any amin’ny faritra. Tafahoatra ny fomba fiasa mamohehitra ataon’ny sasany. Mitady hanao fanjakana kely anatin’ny fanjakana mihitsy. Mialokaloka amin’ny maha olom-panjakana azy. Mafy ny mianjady amin’ny vahoaka tsimandadiharona.
Tsy afa-manoatra ny ankabeazan’ny olona any ambany ravinkazo, rehefa misy ny teny midina. Fanavaozana izao vanim-potoana izao, araka ny filamatry ny Repoblika, ka hatraiza ny ho mety hahatrarana io tanjona io. Ny mpiantsehatra fototra tokony ho maodely no manao mpitari-bato vilam-bava any rehetra any. Ny lohany indray no matsatso.
Sarotsarotra ny fanamby raha mbola ny zotra sy ny fomba fiasa mamohehatra no entin’ireo mpiasam-bahoaka mamita ny adidy ankinina aminy. Tsy misy maloto, mitarika madio izany. Tsy mendrika ny fahatokisan’ny vahoaka ka afaka ny ho mpandray anjara amin’ny fampandrosoana.
Mitaky ny fampiharana ny lalàna amin’ireny tomponandraikitra ireny ny ankamaroan’ny mponina any ifotony. Ny indro kely, hain’ireo manampahefana tsara ny tsy fahaizan’ny ankamaroan’ny “tambanivohitra”, lalaovin’ izy ireny any anatin’ny taratasy sy ny teny mamitaka ny olona. Voaviraviran’ny olon-dratsy tanteraka ilay firenena.
Tsy ampy ny filazana fa manova! Mitaky fandraisan’ andraikitra henjana ny toe-javamisy. Tsy ny pirina sy ny trondro madinika ihany no mendrika hampidirina anaty harato. Mila fahasahiana amin’ny mpitondra foibe ny fijerena ifotony ny olony sy ny olan’ny vahoaka.
r.r




