« Momota Tic Tac Show» : Hira, dihy, cirque, hatsikana ary lalao ho an’ny ankizy

Zava-baovao no haseho. Anisan’ny fampanantenana nataon’i Momota sy ny eki­pany, miaraka amin’ny mpi­karakara io, omaly. « Cirque Mo­mota Tic Tac Show » ny lohateniny, izay hotontosaina raha­mpitso, manomboka amin’ ny 2 ora sy sasany, ao amin’ ny Lapan’ny fanatanjahan­tena Mahama­sina. « Hitondra zava-baovao ho an’ny ankizy izahay, asehonay koa fa izahay mahafeno Palais des sports », hoy i Momota… Na­morona fampisehoana feno, hahitan­tsika cirque, clowns, hira, so­radihy sy dihy ho an’ny ankizy, sns, ireo mpanakanto tarik’i Mo­mota. Hamerina ireo hira K Pop. Nanaraka azy ireo any amin’ ny tontolony izahay, mba ha­nomezana ilay tsara indrindra ho an’ny ankizy. Mba falifaly izy ireo tonga ato, ary falifaly koa mody. Ian­ga­vianay, araka izany, ireo ray aman-dreny mana­raka ireo ankizy mba hampianatra ny zanany mipetraka amin’ny toerany, hoy ny nambaran’i Tantely Ralalari­son, avy ao amin’ny Live Prod. Ma­ha­kasika izay fanomanana izay, mahatratra 50 ireo ekipan’ i Momota hian­tsehatra. Misy amin’ireo no efa matihanina, ankoatra ireo ankizy manan-talenta. Haha­ritra ora 2 sy 45 minitra ny seho, raha ny vinavina, an­koatra ny fakana sary. Amin’ny 10 ora maraina dia efa anomboka ny cirque ao ive­lany. Kasain’ny Live Prod sy ry Momota entina hitety faritra ity seho ity.

Zo ny Aina

Partager sur: