Namoy ny ainy ny tovovavy iray niharan’ny fanolanana monina ao Marovahona, fokontany Ambohidralamanga, kaominina Fandriana, omaly. Niharan’ny herisetra tao amin’ ny trano fisotroana iray, tao amin’ny tsenan’Ambatonandriana, ny volana mey lasa teo, io vehivavy io, araka ny angom-baovao. Nitaraina mafy tamin’ny fianakaviany ilay lasibatra ka nentin’izy ireo natao fizahana teny anivon’ny toeram-pitsaboana. Nivoaka ny voka-pitiliana nataon’ny mpitsabo, ny 7 desambra teo. Voamarina fa nisy tokoa ny takaitra vokatry ny fanolanana nihatra taminy. Niteraka aretina tamin’ny vatany izany. Nandritra ny fito volana mahery no nanarahan’ilay tovovavy fitsaboana. Niharatsy ny fahasalamany. Niafara tamin’ny fihenan-danja sy tsy fahampian-kery izany. Namoy ny ainy ity farany rehefa nokikisan’ny aretina tao anatin’ny volana maromaro. Tetsy ankilany, niroso tamin’ny fanadihadiana momba ireo ahina ho nahavanon-doza ny mpitandro filaminana. Olona miisa telo voasambotra, voasaringotra ho tompon’antoka tamin’izany. Tsara marihina, manoloana ny tranga vonoan’olona, roa andro nisesy, tao Fandriana, miatrana ao an-toerana ny andrimasom-pokonolona nanomboka omaly. Mihidy amin’ny 10 ora alina avokoa ny toeram-pisotroana rehetra.
Tsiferana R.




