Nijoro ny vovonana nasionaly GenXYZ. Tanjon’izy ireo ny handray andraikitra hanarina ny firenena. Eo koa ny fitakian’izy ireo ny fanovana rafitra mikatsaka ny tombontsoam-bahoaka. Na izany aza, nanambara izy ireo fa manohana ny fitondrana. «Tsy hisafosafo fa hiteny hanitsy raha misy ny tsy mety», hoy izy ireo.
Nodisoin’ny Tim ny feo miely fa manao propagandy izy ireo amin’ny fitsidiham-paritra, ataony. Nambaran’ny mpandrindra nasionaly, Randriamorasata Julien fa famelomana maso sy fanetsehana ny antoko izany. «Voafaritry ny lalàna mifehy ny antoko politika ny fahafahana manao izany», hoy izy.
Niakatra ambony indrindra ny harinkarena faobe teo anelanelan’ny taona 2002 sy ny 2008, fony fitondrana Ravalomanana, araka ny nambaran’ny mpampianatra toekarena, ny Dr Ramiarison Herinjatovo. «Tena nahitana fiakarana ny sehatry ny fambolena saingy rava izany vokatry ny krizy 2009», hoy izy.
Mitaky ny hanajana ny rafitra diplaomatika ny Sendikan’ny diplaomaty (Synormae). Nohitsin’izy ireo fa tokony hapetraka amin’ny toerany ny diplomaty matihanina mifanaraka amin’ny fahaiza-manaony. «Tsy azo ekena ny fanendran tsy ara-dalàna sy ny fitsabahan’ny politika amin’izany fa manimba ny hasin’ny asanay», hoy izy ireo.




