Mitohy hatrany ny fandraisan’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël ireo eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena. Anisan’ny nihaona taminy ny faran’ny herinandro teo ny avy amin’ny Firenena mikambana (ONU).
Nivoitra tamin’ny fihaonana teo amin’ny roa tonta ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara. Tafiditra ao anatin’izany ny fanohanana ny dingan’ny fanavaozana eto amin’ny firenena. Voaresaka koa ny ho fanatsarana ny fanohanana avy amin’ny ONU, eo amin’ny sehatra maro lafy. Iarahana amin’ny eo anivon’ ny Pnud sy ny avy amin’ny Vondrona Afrikanina (UA) izany ary natao indrindra hifanaraka amin’ny filana sy ny vinan’ny fitondram-panjakana, tarihin’ny filoha, ny Kly Randrianirina Michaël. Navoitran’ny fampitam-baovaon’ny eo anivon’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika
fa manokatra lalana ho amin’ ny fiaraha-miasa mahomby kokoa ho an’ny fampandrosoana maharitra eto Madagasikara izao fihaonana izao.
Fiaraha-miasa amin’ny Sinoa
Nitarika ny delegasionina ny solontena manokan’ny sekretera jeneralin’ny ONU eo anivon’ny UA sady lehiben’ny biraon’ity Vondrona Afrikanina ity, Parfait Onanga-Anyanga. Teo koa ireo tomponandraikitra ambony avy amin’ny ONU.
Tsiahivina fa vao avy nandray ny ambasadaoro Sinoa koa ny filoham-panjakana ny herinandro teo ary niresaka ny fiaraha-miasa sy ny hanamafisana izany, amin’izao fiovam-pitondrana eto amin’ny firenena izao.
Synèse R.




