Niharan’ny vono avy hatrany ny mpiandry tanàna ny marain’ny sabotsy teo nanoloana ireto miaramila miisa fito ireto teo am-bahahady, ankoatra ireo andiany hafa nanodidina ny tanàna sy nanemitra ny arabe. Nitonona ho iraky ny fanjakana izy ireo ary hisava kanefa tsy nampiseho taratasy momba izany, araka ny loharanom-baovao. Niverimberina ny fanontanian’izy ireo tamin’ireo mpiambina sady narahana herisetra ny amin’ny fanalahidin’ny trano sy ny efitra any ambanin’ny tany «Sous sol». Eo koa ny fanontaniana ny nametrahana vola sy ny basy naterina any amin’io trano io. Nopotehin’izy ireo avokoa ireo fitaovana samihafa teo an-tokotany
mety ahitana io toerana ambanin’ny tany io rehefa tsy hitany izany lalana izany. Toy izany koa ny tao an-trano. Voasava hatramin’ny efitra fatorian’ny PDG Ravatomanga Mamy. Nentin’izy ireo koa ireo fitaovana samihafa, toy ny televizionina maromaro, ny “Caméra de surveillance”,
« Home cinéma…».
Tsiahivina fa naharitra ora enina izany fisavana izany ary niaraka amin’ny fiara 4×4 ireto andian’olona ireto tamin’izany.
Synèse R.




