Fivoahana amin’ny krizy : Hitondra fehin-kevitra ny silamo

Niditra an-tsehatra koa. Nanambara ny eo anivon’ny Komity nasionalin’ny fikaonandoham-pirenena ho an’ny mpino miozolomanina (KN-FPMM) fa hanolotra ny fehin-kevitra koa izy ireo amin’ny fikaonandoha hatao eto amin’ ny firenena. Efa nanao ny fikaonandoha-paritra izy ireo, omaly, ary hatao ny 20 sy 21 desambra eny Andohatape­naka kosa ny fikaonandoha nasionaly. « Tafiditra ao ana­tin’ny dingana ho amin’ny fanavaozam-pirenena, iara­hana amin’ny minisi-panja­kana misahana ny Fanavao­zana izany», hoy izy ireo tetsy 67Ha, omaly. Notsindrin’izy ireo fa anisan’ny anjara asan’ ity komity ity ny fampiraisana sy fampivondronana ny fiarahamonina miozolimanina. Eo koa ny fandrindrana sy fanomanana ny fandraisana anjaran’ireo mpino ao aminy ho amin’ny fanavaozana. Ma­nampy izany ny fanangonana ny hevitra rehetra, miainga avy any amin’ny faritra ary ma­nolotra ny fehinkevitra nasionaly amin’ireo Andrimpanja­kana sy ireo mpiara-miom­bona antoka. Anisan’ny lohahevitra amin’izany ny fampandrosoana ny lafiny sosialy, ny toekarena ary ny fandriampahalemana. Tafiditra ao anatin’ izany koa ny fifandraisana iraisam-pirenena. Ny fanavao­zana sy ny ny fitondrana. Ny angovo, ny harena an-kibon’ ny tany ary koa ny toekarena manga.
Araka izany, miantso ireo mpino silamo rehetra amin’ny sehatra misy azy avy ny eo anivon’ny KN-FPMM mba hi­fanohana sy handray anjara amin’izany fikaonandoha izany. «Mba ho an’ny tombon­tsoan’ny fiarahamonin­tsika sy ny firenena», hoy ihany izy ireo.

Synèse R.

Partager sur: