Ambatomaro: Jiolahy efatra maty voatifitra

Maty voatifitry ny mpitandro filaminana ny jiolahy miisa efatra, anisan’ireo nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana teny Ambatomaro, ny alin’ny alahady 14 desambra teo. Na­ha­ray antso avy amin’ny tsara sitrapo ny ekipan’ny polisim-pirenena fa misy andian-jiolahy mikononkonona hanafika. Nanao ny angom-baovao rehetra izy ireo ka nidina ifotony ny ekipan’ny USI, fantatry ny maro amin’ny solon’anarana «Saka Mainty». Nihazona fitaovam-piadiana anefa ireo mpanao ratsy. Nampiasa izany avy hatrany izy ireo ka nitifitra. Nifanenjehan’ny mpitandro filaminana ireo jiolahy ireo ka nisy tafaporitsaka tanaty haizina. Lavo nandritra ny sakoroka ny efa-dahy. Nahatrarana fitaovam-piadiana mahery vaika niampy antsilava teny amin’ireo lavo. Ahina ho olon-dratsy efa mpanao fanafihana eny Ambatomaro sy ny manodidina ireto lavo ireto. Anatin’ny fanadihadiana lalina momba ireo nandositra ny polisy amin’izao fotoana. Marihina, manjaka ny asan-jiolahy eto an-dRenivohitra sy amin’ireo faritany hafa tato ho ato. Manao izay ho afany mamongotra ireo mpanao ratsy ny mpitandro filaminana.

Tsiferana R.

Partager sur: