Ankazomanga : Raim-pianakaviana maty nananton-tena

Hita faty nihantona tamin’ny tadin-kiraro tao an-trano fonenany, tetsy Ankazomanga Atsimo, omaly maraina, ny raim-pianakaviana iray tokony ho 40 taona. Nisy nandrahona tamin’ny finday foana izy andro vitsivitsy talohan’io tranga io.

Tsy hita nivoaboaka ity raim-pianakaviana ity, ka nanokatra ny varavaran’ilay trano tetsy Ankazo­man­ga Atsimo, vakim-paritra II, omaly maraina, ny fianakaviany. Ha­tairana ny an’ny rehetra fa lehilahy efa mandohalika amin’ny tany sy nihantona tamin’ny tady teo afovoan-trano no hita. Nam­pa­nan­tsoina ny sefo fo­kon­tany teny an-toerana, taorian’ny fa­hitana ity tranga mampalahelo ity. Novahana ny tady nifatoran’ny tendany saingy efa tsy nisy aina intsony. Mangana tan­teraka ny faritry ny tendany. Tsy nahitana ratra kosa ny va­tany. Marihina fa manan-janaka 8 mianadahy ary na­nam­bady indroa, saingy efa nisaraka, ity raim-pianakaviana na­mo­no tena ity. Mipetra-drery ihany koa izy.

Nisy nandrahona tamin’ny finday
Nisy niantso sy nandrahona lava tamin’ny finday izy andro vitsy talohan’io tranga io, raha ny fanazavan’ny reniny. Voalaza tamin’izany fa na maty na migadra izy. “Efa na­laiko ilay findainy mba hanalana ny tahotra sy horohoro teo aminy saingy naveriny nalaina izany, ny alina talohan’io fo­toana namonoany tena io”, hoy hatrany ny reniny. “Ny tsy fahazakana izany no tena antony nahatonga azy namono tena”, hoy hatrany ny fanazavana. Tsy an’asa izy noho ny aretina nahazo azy.

Efa nisotro “nuvan”
Ankoatra izay, efa nanambana ny namono tena tamin’ny fihinana “nuvan” ity lehilahy hita faty ity, afakomaly, saingy nifamonjen’ny fianakaviana tao dia avotra soamantsara. Efa narahi-maso sy nandrasana foana izy taorian’izay. “Afakomaly hariva, tamin’ny 9 ora alina, norohasiny hody daholo izahay niandry azy tao an-tranony fa nilaza hatory izy. Mbola niantso sy nitady briquet taty amiko, ity raim-pianakaviana namono tena ity, omaly tamin’ny 2 ora ma­raina tany ho any”, hoy ny ana­baviny. Heverina ho tamin’io fotoana io izy no nanantona ny tendany tamin’ny tady tao an-trano. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy ny avy amin’ny fokontany Anka­zomanga Atsimo sy ny polisim-pirenena. Naka ny razana sy nitondra izany eny anivon’ny tranom-paty HJRA Ampefi­loha kosa ny avy amin’ny BMH.

Mino

Partager sur: