“Raha tsy manomboka ny fanatsarana ny lisi-pifidianana amin’izao fotoana izao isika, ho sarotra ny hanatanterahana ny fifidianana ato anatin’ny 24 volana”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, teny Alarobia, ny faran’ny herinandro teo, momba ny fiatrehana fifidianana aorian’ny fikaonandoham-pirenena. Farafahakeliny, mila enim-bolana ny fanavaozana ny lisi-pifidianana. Raha hiandry ny fahavitan’ny fikaonandoham-pirenena afaka 12 volana vao hanomboka hanadio sy hanavao ny lisi-pifidianana : ho tratra ve ny 24 volana hanatantosana fifidianana?
Hodiovina ny lisi-pifidianana miteraka resabe matetika amin’ny fifidianana atao eto Madagasikara. Hangataka any amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny Ceni ny amin’ny hanaovana fitsirihana tsy miankina sy tsy mitanila ary tsy miandany momba ny lisi-pifidianana misy ankehitriny. Hiangaviana ireo mpiara-miombon’antoka hanao izany. Hampahafantarina ny besinimaro ny vokatry ny fitsirihana: inona marina ny tena zava-misy ao anatin’ny lisi-pifidianana? Taloha, nisy izay fa tsy nisy nahafantatra ny valiny: firy ny isan’ny anarana niverimberina, inona avokoa no tsy nety? Nisy ny fitsirihana fa ny tomponandraikitry ny Ceni ihany no nahafantatra ny valiny.
Na fanavaozana manontolo no hatao amin’ny lisi-pifidianana, na amin’ny ampahany, na manokana, na ny mahazatra isan-taona. Samy manana ny enti-manana ilaina izay safidy efatra izay. Misy tena mila volabe, misy mila fotoana maharitra. Rehefa avy mahita ny tena zava-misy ny Ceni: hanolotra soso-kevitra ny governemanta, izay hanapa-kevitra ny amin’izay hatao sy ny hoenti-manana ary ny fotoana hatanterahana azy.
R. Nd.




