Fisavana tany Mantasoa: Nikaroka fitaovam-piadiana nafenina ny FDS

Tompon’antoka tamin’ny fampidirana fitaovam-piadiana mahery vaika eto Madagasi­ka­ra, ny tale jeneralin’ny vondrona Sodiat, Ravatomanga Mamy, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny Vondron-kery fiarovana sy ny filaminana, omaly. Ara-dalàna ho azy ireo ny fisavana rehetra izay natao teny anivon’ny trano fonenana sy ny orinasa sasantsasany eo anivon’ io vondron’orinasa io. “No­men’ ny lalàna anay ny hisava ny trano izay ahiahina hitobian’izany fitaovana ma­hery vaika izany”, hoy ny fa­nazavan’ny mpitondra tenin’ny FDS. Raha tsiahivina, niatrana tao amin’ny trano fonenan’ilay Mala­gasy mpandraharaha sady tompona orinasa izay akaiky ny filoham-pirenena teo aloha, ny mpitandro filaminana, ny sabotsy lasa teo. Nisava ny efitry ny trano hatrany amin’ny efitra fatoriana ireo mpitandro filaminana. Nisy ireo entana simba. Nisy tamin’ireo entana tao anatin’ny trano lasan’ireo nanao fisavana.

Tsiferana R.

Partager sur: