Nanomboka omaly, ny zotra an-dalamby an-tanàn-dehibe, tetikasa « Train Urbain », mampitohy an’i Soarano hatreny Ambohimanambola. Hitombo tsikelikely ny isan’ny fiaran-dalamby hiasa.
Indro isan’andro, aty am-boalohany, ny zotra miainga eo Soarano hatreny Ambohimanambola, mirefy 16 km. Atao ao anatin’ny 45 minitra, ka 2 minitra isaky ny toeram-piantsonana miisa enina (Ampefiloha, Soanierana, Ambohipo, Androndra, Mandroseza, Amoronankona) mandra-pahatonga any Ambohimanambola. Miisa roa ny fiaran-dalamby entin’ny lohamasinina, ka mahazaka mpandeha 300 (mipetraka sy mitsangana). Izany hoe, mitotaly 1 200 ny mpandeha azo taterina, ka 600 (mandroso sy miverina) amin’ny zotra voalohany, ary 600 ihany koa ny faharoa. Mety hihoatra an’io isa io anefa izany, satria misy ireo miala sy miditra eny antenantenany, amin’ireo toeram-piantsonana enina. Tokana, 3 000 Ar isan’olona ny saran-dalana, ary tsy mitondra entana ny zotra. Miainga amin’ny 5 ora maraina ny zotra voalohany ary amin’ny 5 ora sy sasany hariva ny faharoa. Tsiahivina, fa efa tamin’ny volana aogositra 2023 ny fotoana nilazan’ny fitondrana teo aloha, fa hisokafan’ity tetikasa « Train Urbain » ity, fa tsy nety tanteraka raha tsy izao.
Fiara an-dalamby hafa
Nosokafana tamin’ny ofisialy, omaly, ity zotra an-dalamby an-tanàn-dehibe ity. Nomarihin’ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro (MTM), Raharisone Juste Crescent, fa ny fanombohana azy no tena zava-dehibe. Misokatra ho an’ny daholobe amin’izay ity zotram-pitaterana ity, manomboka anio, ary misy isan’andro, hatramin’ny sabotsy, afa-tsy ny alahady. Nilaza ny tale jeneralin’ny Fitaterana an-tanety, Andriamiarantsoa Privat, fa ny teknisian’ny Madarail no nanova ny kodiaran’ireo fiaran-dalamby (izay tokony handeha amin’ny herinaratra), ho azon’ny lohamasinina mandeha amin’ny solika gazoala tarihina. Efa eo am-panomanana ny fiaran-dalamby roa hafa, ka hisokatra tsy ho ela ihany koa ny zotra faharoa, ka hitombo ho in’efatra isan’andro izany.
Njaka Andriantefiarinesy




