Gem : « Mila apetraka ny fifampitokisana »

Nifanakalo hevitra momba ny fampandrosoana ny toekarena eto Madagasikara ny vondron’ny mpandraharaha eto Madagasikara (Gem) sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy eto an-toerana sy avy any ivelany. Nandritra ny Fi­haonambe stratejika voalohany, “Re Gem”, ny zoma teo izany. Nasonga­din’ny filohan’ny Gem, Rabari­john Francis, fa ilaina ny fifampitokisana eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina mba hisarihana ireo mpampiasa vola. Zava-dehibe ny fananan’ny orinasa fitsipika mazava sy marin-toerana mba ha­hafahany mampiasa vola. «To­kony hazava ho an’ny mpandraharaha sy ny mpampiasa vola ny lalàna sy ny fepetra ara-ketra ny orinasa iray, in­drindra amin’ireo orinasa afakaba», raha ny fanazavany. Nambarany fa fototra ahafahana mandrafitra ireo tetikasa lavitr’ezaka izany sy hisarihana mpampiasa vola samihafa. Na izany aza, mila atao mangaraharaha ny fitantanana mba hi­sian’ny fifampitokisana. Na­nan­titrantitra, araka izany, ny filohan’ny Gem fa adidy goavana ny ady amin’ny kolikoly. Andraikitry ny fanjakana ihany koa ny mametraka ny fifaninana ara-drariny amin’ireo orinasa tsy ankanavaka.

Rafitra
Miantoka ny filaminan’ny tontolon’ny fandraharahana ny fananana rafitra tsy mitanila sy mahateo tena. Tokony ho afa­ka hiantehitra amina andrimpanjakana azo itokisana ny orinasa, raha ny fanazavany ha­trany. Ankoatra ny antso atao amin’ny tomponandraikitra ambony eto an-toerana, mangataka fanohanana amin’ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena ihany koa ny Gem, amin’ny alalan’ny endrika fampiasam-bola sy fanohanana ara-teknika. Kendrena amin’izany ny hanafainganana ny tanjaky ny toekarena. Mari­hina fa nanamafy ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina ny fihaonamben’ny «Re-Gem». Tanjon’ny Gem ny hi­ton­dra ny feon’ny sehatra tsy miankina.

Henintsoa

Partager sur: