Tafakatra dimy ireo jiolahy notanana am-ponja toarian’ny fihainoan’ny fampanoavana azy ireo, teny amin’ny Lapan’ ny fitsarana Anosy, ny 12 desambra teo. Ahina ho tompon’ antoka sy nandray anjara mivantana na ankolaka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny tokantrano iray teny Manjaka, kaominina Ankadikely Ilafy, avokoa ireo olona ireo. Nidiran’ny olon-dratsy tao amin’io toerana io, ny 5 desambra lasa teo. Naharay antso ny mpitandro filaminana ao Avaradrano ka nidina ifotony ny ekipan’ny polisim-pirenena. Raikitra ny fanenjehana nataon’ny UIR, nitsoaka avokoa nefa ireo mpanao ratsy. Voasambotra tamin’io fotoan’ny fandrobana io ny iray tamin’ireo jiolahy. Nentina natao famotorana izy. Nahazoan’ny polisy nisahana ny famotorana ny loharanom-baovao rehetra momba ny fisiana fikambanan-jiolahy ity farany. Nitoroka ireo namany izy ka nanao mora ho an’ny manam-pahefana ny nisambotra ireo voatonona anarana. Niampy efatra, araka izany, ireo saron’ny polisy. Nentina nihazo ny birao izy ireo ka samy voasaringotra tamin’io fanafihana io avokoa. Natolotra ny fampanoavana izy dimy lahy ary niafara amin’ny fampidirana vonjimaika any am-ponja.
Tsiferana R.




