FANTINA sy FINTINA

Nandeha mangingina noho ny fiarovana ny ainy, ahina hisy hifofo, ny filoha, ny Kly Randrianirina Michaël, araka ny nambarany, afakomaly. « Efa fanaon’ ireo filoham-panjakana any Etazonia na Frantsa izany », hoy izy. Nambarany koa fa natao hanasoa­vana sy hahatsara ny firenena ny diany tany Dubaï. Ani­san’ izany ny handefasana tanora miisa 5 000 hiasa any.
Handalo fanadihadiana parlemantera ny fa­nen­jehana an-dRajoelina, araka ny nambaran’ny depiote, Randrianasoloniaiko Siteny. Nanteriny fa tsy mitovy amin’ireo olom-panjakana ambony rehetra mandalo
eo amin’ny Fitsarana avo (HCJ) ny filoha teo aloha. « Mino aho fa tsy hisy depiote hitsipaka ny fankatoa­vana ny fanenjehana an-dRajoelina », hoy izy.
Namindra fo amin’ny governemanta ny ankamaroan’ireo depiote ka nanome fanalavam-potoana kely, amin’ny fanaraha-maso azy ireo. Anisan’ny naverimberin’ireo solombavambahoaka izany tamin’ny fifanatrehana tao anatin’ny roa andro, teny Tsimbazaza. Nahazo fitokisana izany ny governemanta ka nomena efa-bolana hiasany.
Anisan’ny niompanan’ny fangatahan’ireo depiote ny fanamboaran-dalana, manerana ny distrika sy ny faritra niaviany avy, tamin’ny fifanatrehana tamin’ny governemanta. Anisan’ny niteny momba izany ny depiote Bina, voafidy any amin’ny distrikan’­Andra­masina, amin’ny hijerena ny lalana telo samihafa, miditra any amin’iny toerana iny.

Partager sur: