Tena fanovana no atao

 

Fanavaozana, fanovana… Hatramin’ny politika izany, ny fomba fanaovana politika… Tsy ny mpanao politika ve, ohatra, no anisan’ny mahapotika ny firenena sy mam­pahantra ny vahoaka? Fototra sy fositra mahatonga ny korontana politika lava miverimberina. Nanomboka tamin’ ny fametrahana rafitra sy lalàna ho amin’ny tombontsoan’ olom-bitsy, ny elanelana be eo amin’ny karama sy ny tombontsoa raisin’ny olom-panjakana ambony miolotra amin’izay misy sy iainan’ny vahoaka… Manginy fotsiny amin’izany ny fahasahiranana mianjady amin’ny firenena. Eo koa ny fianteherana lava amin’ny vahiny amin’izay atao rehetra, ny fanabadoana na fiheverana ny vahoaka ho bado.
Hatraiza ny hoe fanavaozana sy fanovana? Miara-dalana amin’izany ny fitsitsiana, ny fangaraharana, ny fahitsiana… Tena atao sy iainana ve? Mba vakina bantsilana ho fanta-bahoaka, ohatra, ny karama sy tombontsoa manokan’ny olom-panjakana ambony. Toy izany koa ny amin’ny tombontsoa manokana azo amin’ny fahazoana na fanomezana tsenambaro-panjakana, na eto an-toe­rana na avy ivelany… Tsy hita hotanisaina sy hovisavi­saina ny toy izany mbamin’ny firongony: mampahantra vahoaka, mahaloaka ny kitapom-bolam-panjakana… Nefa ny ben’ny Tanàna ihany, ohatra, no enjehina amin’ ny hoe tsy fahaiza-mitantana.
Vola avy aiza avokoa, ohatra, no ampiasain’ireo mpanao politika? Indrindra amin’ny fampielezan-kevitra
rehefa miatrika fifidianana… Tsy mahagaga raha misy sy manjaka hatrany ny kolikoly. Torapo ve izany? Be loatra ny fahalovana eto amin’ny firenena, ny tsy fanjariana afitsoky ny mpanao politika, ny fanjakazakan’ny mpanam-bola na eto an-toerana na avy any ivelany, amin’ny raharaham-pirenena… Tena atao ve ny fanovana? Dieny izao, mba tsy ho tompon-trano mihono ny vahoaka. Ho hita eo…

R. Nd.

Partager sur: