TSELATRA

Fatin-dehilahy efa simba sady nifatotra hitan’ny fokonolona tao amin’ny fokontany Ambohitsara Avaratra, kaominina Antsoha, distrikan’i Mandritsara, afakomaly. Lehilahy zarazara fihodirana, manodidina ny 40 taona mahery eo, io namoy ny ainy io. Nifatotra tanteraka ny tanany sy ny tongony. Novonoin’ny olon-dratsy tany amin’ ny toeran-kafa io lehilahy io, araka ny fanazavan’ny nanatri-maso. Nofatoran’izy ireo izy ka nananosarotra ho an’ilay lasibatra ny niala tamin’ny famonoana natao azy.
Mpanao sinto-mahery, naka an-keriny ny poketra an’ny mpandeha bisikleta iray teny Anosibe, omaly. Nandrasan’io lehilahy io hitohantohana ny fifamoivoizana ka nalainy avy hatrany ny poketran’ilay ramatoa. Nitsoaka ilay nahavanon-doza.
Naratra mafy ny mpitandro moto iray nifandona tamin’ny fiara mpitatitra entana teny amin’ny lalam-pire­nena faha-12 A, tao Karinarivo, distrikan’i Vaingaindrano, omaly atoandro. Nivadika mihitsy ilay fiara.
Lehilahy mpivarotra rongony voasambotry ny zandarimaria tao Ankadikely, afakomaly. Nahatrarana rongony nilanja 12 kg io lehilahy io. Notsinjarainy anaty fonosana ny ankamaroan’io zava-mahadomelina io. Natolotra ny fampanoavana izy.

Partager sur: