Natomboka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, 17 desambra, teny amin’ny fokontany Amboara, kaominina Imerintsiatosika ny taom-pamboken-kazo 2026. Paikady vaovao no horaisina manomboka izao.
Nitarika ny fotoana ny mpanolotsaina avo ny Fanavaozana ny Repobolika, ny kolonely Rampanarivo Soloniaina, sy ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), Manesimanana Rafanomezantsoa. Lohahevitra noraisina amin’ity taom-pambolen-kazo 2026 ity ny hoe, «Izay mamboly hazo, manome aina». Notsipihin’ny minisitra fa «paikady vaovao hampiharina manomboka izao ny hanapariahana sy hametrahana eny ifotony, toy ny any amin’ny kaominina sy ny fokontany sy ny toeran-kafa, sekoly na fiangonana, ohatra, ny famokarana zana-kazo sy ny fambolena azy ». Izany hoe, hampian’ny fanjakana amin’ny alalan’ny minisitera ny eny ifotony amin’ny famatsiana ny fonosana plastika, sy ny voa zana-kazo. Ny fokonolona na ny mpisehatra eny ifotony kosa no mamboly sy mamokatra ny zana-kazo.
Toy ny teny Amboara, omaly, ohatra, nangady ny lavaka maimaimpoana ny fokonolona, ary namatsy ny zana-kazo maimaimpoana ny minisitera Medd. Nanome antoka ampahibemaso ny fokonolona fa hikojakoja sy hiaro an’ireo zana-kazo vao nambolena.
Ho tratra haingana ny tanjona
Handray anjara daholo ny hery velona sy ny daholobe, toy ny mpianatra, ny tanora, ny mponina, sns. Navoitran’ny kolonely Rampanarivo fa zava-dehibe ny fambolen-kazo. Satria efa simba ny 44% ny velaran-tany eto Madagasikara. Koa tsy azo atao ambanin-javatra ny fambolen-kazo.
Nahatratra 12 000 ny zana-kazo, kininina sy kesika, nambolena omaly, tamina velaran-tany 12 ha. Nosinganin’ny minisitra Manasimanana Fanomezantsoa fa hampitomboina ho 70 000 ny zana-kazo hambolena amin’ny taom-pambolena 2026 raha 47 000 ny taona 2025. Ho tratra haingana io tanjona io amin’ny alalan’ny fampiharana an’ilay paikady vaovao, satria mandray anjara mivantana ny eny ifotony.
Njaka Andriantefiarinesy




