FANTINA sy FINTINA

Tsy natao hamafazana lainga na handikan-dalàna ny fahafahana miteny eto amin’ny firenena, amin’izao fotoana izao, araka ny nambaran’ny filohan’ ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny. « Manome fahalalahana ny rehetra hiteny izao fitondrana mijoro izao, saingy tsy tokony hararaotina izany », hoy izy.

Tsy manakana ny fananganana vondrona parlemantera vaovao ny HCC, araka ny fanapahan’izy ireo manoloana ireo depiote niala tsy ho Irmar ka hanangana vondrona vaovao eny Tsimbazaza. Tsy manan-kambara kosa ny HCC amin’ny fananganana vondrona manohana ny filoha. « Tsy anaty Lalàmpanorenana izany », hoy ny etsy Ambohidahy.

Tokony handraisana fepetra amin’ireo manely tsaho sy vaovao tsy marina, raha ny nambaran’ny eo anivon’ny HVM, Rakotovao Rivo. Miantso ny fitondrana handray fepetra ny tenany. Tsy midika ho famadihana tanindrazana koa ny fivoahan’ny filoham-panjakana mankany ivelany. « Anjarany ny mijery ny tombontsoa ambony ho an’ny firenena», hoy izy.

Nivoaka amin’ny fahanginany ny depiote teo aloha, avy any Tsihombe, Marie Goulamaly. Namba­rany fa betsaka ny fitakiana. Zava-dehiba kosa anefa ny tena fanavaozana marina. « Hanadiovana ary hahafahana manarina an’i Madagasikara », hoy izy. Notakiny koa ny handravana ireo andrimpanjakana mba ho amin’ny tena fanavaozana marina.

Partager sur: