Toy ny mahazatra, hisy hatrany ny Antsa Noely fanaon’ny Choral Orimbato eny Ambatonakanga. Seho klasika hatrany izany, hanasongadinana ny talentan’ireo mpikambana.
«Iza no antenaiko?», Antsa Noely atolotry ny Chorale Orimbato, ny alahady 21 desambra amin’ ny 3ora sy sasany hariva, ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga. Andrenesana fehezan-kira mahatratra 12, hivoizana ny fiadanana sy ny fitiavana ary ny fanantenana eo amin’ny finoana kristianina. Fitadiavana Mpamonjy no ifantohan’ny fizaram-potoana voalohany. Andrenesana ny hira toy ny : «Manopy ny masoko» (Ratany) (Salamo 121), «Avy aiza ny famonjena ahy», «Comme brame le cerf» (Psaume 42) (Martin J. Nystrom), «Milaza ny faniriana an’Andriamanitra toy ny diera mangetaheta mitady rano», «I will follow him» (J.W Stole / Norman Gimbel) izay hira milaza ny fahatokiana feno an’Andriamanitra… izany.
Manome valiny amin’ny fanontaniana «Iza no antenaiko?» kosa ny fizaram-potoana faharoa (Imanoela). Mitodika tanteraka amin’ny fihavian’ilay Mesia na ny Mpamonjy izay iorenan’ny fanantenana amin’ny fanavaozana, ny fanafahana ary ny famonjena izay kendren’Andriamanitra ho an’ny olona rehetra. Fotoana hamelomana ireo hira noely, malagasy sy vahiny. Singanina amin’izany ny : «Christmas canon» (Johann Pachelbel) tamin’ny taonjato faha-17, «Haleloia tonga ny mesia» (taona 1950), «Majeste» (J.W Hayford) (taona 1977). Elanelanin’ny fitantarana ny fahaterahan’i Kristy.
HaRy Razafindrakoto




