Natao eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana ny mpamilin’ny fiara taxi-be 114, namoa-doza tetsy Behoririka, taorian’ny fiakaran’ny raharaha fampanoavana, omaly. Hatao ny 4 febroary hoavy izao ny fotoam-pitsarana.
Niakatra fampanoavana tetsy anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Anosy, omaly, ny raharaha lozam-pifamoivoizana nahafaty ankizivavikely 6 taona tetsy Behoririka, ny 10 desambra lasa teo. Taorian’ny didy, napetraka eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana ilay lehilahy 37 taona, mpamilin’ilay taxi-be, zotra 114, nahavanon-doza. Tsy maintsy manatona sy mandalo tsy tapaka eny amin’ny fitsarana ny tenany, raha misy ny ilàna azy, mandra-pahatongan’ny fotoam-pitsarana. Vinavinaina hotanterahina ny 4 febroary 2026 hoavy izao izany.
Tsiahivina fa voahitsaky ny fiara fitateram-bahoaka zotra 14 tetsy amin’ ny lalana Razafindramanta, Behoririka, ny 10 desambra lasa teo, tokony ho tamin’ny 2 ora sy 15 minitra tolakandro i Lorenna. Ankizivavikely vao enin-taona monja, kilasy faha-11 tao Ambohidroa. Nandeha niantsena teny Behoririka sy Analakely izy sy ny reniny, 35 taona, ora vitsy talohan’ny nisehoan’ny loza. Nihazakazaka nifampitantana mba hanenjika ilay fitateram-bahoaka izy mianaka. Tsy nijanona anefa ilay fiara fa nizotra niadana ihany no sady nampiakatra mpandeha. Votsitra anefa ny tanan’ilay ankizivavikely, nandritra izany, ka voahitsaky ny kodiarana aorian’ny fiara. Vokany, naratra mafy teo amin’ny lohany izy, nandriaka ny ra.
Nialana nenina
Nifamonjen’ny olona teny an-toerana ilay zaza taorian’ ny loza. Nanakana fiara hitondra io zaza io tany amin’ny hopitaly ny reniny, izay nivimbina ny zaza teny an-trotroiny. Tsy nisy nandeha ireo taxi niangaviana mba hitondra. Moto iray no nanolo-tena hitondra azy tany amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha. Nialana nenina, saingy tsy tana ny ainy, raha ny tatitra voaray. Tonga teny an-toerana nisehoan’ny loza, nijery ny zava-misy sy nanao fanadihadiana, ny polisy miasa ao amin’ ny CSP3 sy ny polisy misahana ny lozam-pifampivoizana (Bac). Tsy hita teny an-toerana intsony ny niharam-boina tamin’ny fotoana nahatongavan’ny manam-pahefana. Notanana natao andrimaso teny anivon’ny polisim-pirenena ny mpamilin’ilay fiara namoa-doza, nanomboka teo ka hatramin’ny fotoana nampiakarana ny raharaha teny anivon’ny fitsarana.
Mino




