Namoy ny ainy vokatry ny kaikitry ny voay ny zazalahy iray vao enin-taona monja tao amin’ny fokontany Andrafiamivony, kaominina Bebaboky Atsimo, distrika Maintirano, afakomaly. Efa zatra mivezivezy amin’io toerana io ilay zazalahy. Niandry omby izy ka nikasa hamonjy fodiana niaraka tamin’ireo namany maromaro, tamin’ny 5 ora hariva. Manoloana ny fiakaran’ny rano amin’ny toerana sasany ao an-tanàna, miakatra an-tanety ireo voay. Lasan’ny voay tampoka io zaza io. Nikoropaka ny fokonolona nanoloana io tranga io. Niezaka nanavotra ilay zazalahy izy ireo saingy nananosarotra noho ny kaikitra mafy nataon’ilay voay. Votsotra teny ambavan’io biby io ity farany saingy efa tsy tana intsony ny ainy. Tsy namelan’ny fokonolona raha tsy nifanenjehana ilay voay. Nokapain’izy ireo tamin’ny zava-maranitra ny lohany ka namoy ny ainy. Nalain’ny ray aman-dreniny ny vatana mangatsiakan’io zaza lasibatra io.
Tsiferana R.




