Praiministra Rajaonarivelo Herintsalama: «Samy hotsarain’ny vahoaka na izahay na ny depiote»

Namarana ny fifanatrehana teo amin’ny governemanta sy ny solombavambahoaka, rehefa naharitra roa andro, ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama, teny Tsimbazaza. Nisy ny hafatrafatra nampitainy tamin’izany.

Nambarany fa voarain’ny governemanta avokoa ny hetahetan’ireo de­piote. Niantso fifanomezan-tanana koa anefa ny tenany. « Samy hotsarain’ny vahoaka isika sy ianareo nisolovava azy », hoy izy. Nambarany fa tsy olana ny iantsoana azy ireo na ho governemanta Tetezamita na governemanta hamehana. Notsindriny anefa fa governemantan’ny ady izao mijoro izao, rehefa nifampihaino tamin’ireo depiote tao anatin’ny roa andro izy ireo. «Hi­araka hiady isika. Hiady amin’ny fahantrana hatrany ifotony. Hiady hamerina ny fahamendrehana maha olo­na», hoy izy. Nanteriny fa miaraka ma­nao fanamby, miaraka miasa ary miaraka mahavita sy miaraka tsaraina amin’ny asany ny tsirairay. Nohitsi­ny fa ha­metraka ny fanavaozana ny rehetra ka tsy hisy mpi­kam­bana eo anivon’ny governemanta hijanona eo ambony seza. « Hidina eny an-kianja avokoa izy ireo », hoy izy.
Tsiahivina fa anisan’ny tena niompanan’ny fangatahan’ireo depiote tamin’izao fifanatrehana izao ny fanarenana ireo lalana simba ka nitodihan’izy ireo manokana tamin’ny minisitry ny Asa vaventy. Sa­my naneho izany ireo solom­bavambahoaka amin’iny la­lam-pirenena RN7 iny sy ny mianatsimo rehetra. « Mite­ra­ka fahasahiranana ho an’ny mpampiasa lalana ny haratsiny », hoy ny depiote Mamihaja Charlot, voafidy tao Ma­nan­jary.
Nomena fanalavam-potoana ny governemanta
Tahaka izany koa ny de­piote voafidy tao Andra­ma­sina. «Tsy mba nisy fanamboarana an-taona maro noho ny resaka loko politika ny lalana mankany aminay », hoy izy. Anisan’ny tsy afa-bela koa eto an-dRenivohitra sy ny manodidina.
Nisongadina tamin’izao fifanatrehana izao koa ny nangatahan’ireo depiote fanalavam-potoana ahafahana mitsara ny governemanta mba hiampy efa-bolana, ohatra. Tsy ahafahana mahita ny tena asan’izy ireo ny roa volana nomen’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, araka ny nambaran’ireo de­piote hatrany.

Synèse R.

Partager sur: