“Ny olana eto amin’ny firenena: be loatra ny antoko politika. Misy 300 latsaka kely izany. Te hanao zavatra ho an’ny firenena avokoa izy ireo. Saingy tsy mirindra ary tsy voalamin’ny Malagasy ny fanaovana politika eto Madagasikara”.
Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny antoko Teza, Rakotoamboa Jean-Louis, ny amin’ny tontolo politika amin’izao fotoana izao, taorian’ny fikaonandohan’ireo antoko. Ho an’ny Teza, tokony ho telo na efatra ny antoko politika eto amin’ny firenena, dimy fara fahabetsany. Ny any Chine, ohatra, iray ihany ny antoko politika, fa firenena matanjaka indrindra izao eo amin’ny sehatry ny toekarena. Ny an’ny Amerikanina, antoko politika roa: tafavoaka koa izy.
Rehefa ilaina ny fandravana ny antoko ho amin’izany, vonona ny Teza. Mba mitambatambatra izay mitovitovy vinam-piarahamonina. Faritana izay ho fandaharanasa hahatongavana amin’izany, ny fomba fitantanana, ny ekipa hanatanteraka… Amin’izay, mifanatona sy miady hevitra ny antoko politika: inona ny fironan-kevitra? Ho an’ny Teza, ohatra, fokonolona no vinam-piarahamonina. Raha omena hasina sy lanja ary vahana ny fokonolona ho tompon-draharaha eto amin’ny firenena, ho hafa kokoa hy fandrosoana. Lehihe sy maika ny fanavaozana ny lalàna momba ny antoko politika. Inona ny andraikitry ny antoko politika mieritreritra hitondra firenena? Raha ny tokony ho izy, midina any ifotony aloha: mitily ny olana sy ny filana, miezaka manao fandaharanasa azo tanterahina amin’ny tetibolam-pirenena hamaha an’izay olana sy filana izay.
R. Nd.




