Miakatra ny vidin’ny lavanila taorian’ny fepetra noraisin’ny fanjakana. Ankehitriny, 80 000Ar-140 000Ar ny kilao ny lavanila mainty, raha toa ka 60 000Ar izany teo aloha. Vidina 65 000Ar-80 000Ar kosa ny iray kilao ny lavanila mena izay nojifaina 55 000Ar teo aloha. Tonga 35 000Ar- 40 000Ar/kg ny “cuts” raha manodidina ny 25 000Ar ny volana novambra.
Tombanana hahatratra 31 852,7 miliara Ar ny trosam-panjakana hatramin’ny faran’ny volana desambra. Izany hoe, manodidina ny 7 179,1 tapitrisa dolara. Betsaka indrindra amin’ireo ny trosa avy any ivelany izay tonga hatrany amin’ny 86,1 % raha toa ka manodidina ny 13,9% ny trosam-panjakana manontolo kosa ny trosa anatiny.
Hotanterahina rahampitso ny “Forum national des investissements pour l’économie bleue”. Fivoriambe handraisan’ireo mpandraharaha sy mpisehatra samihafa eo amin’ny toekarena manga anjara. Hojerena manokana ireo paikady entina hampiroboroboana ny loharanon-karena manga ho an’ny fampandrosoana ny toekarena.




