Lehilahy mpivarotra entana ilaina andavanandro hita faty tao Ambohidratrimo, omaly maraina. Feno ratra sy ra ny faritry ny lohany.
Lehilahy iray hita faty tao amin’ny fokontany Ambohitsiroa atsinanana, kaominina Ambohidratrimo, omaly maraina. Nihosin-dra ny lohany ary ahina ho efa nisy namono ny alina izy, araka ny fitantaran’ny nanatri-maso. Tsikaritry ny olon-tsotra nandalo vao maraina io vatan-dehilahy efa nitsirara tamin’ny bozaka io. Nozahan’ny manodidina izy saingy efa tsy nisy aina intsony. Niantso ny manam-pahefana avy hatrany ny mponina. Natao ny famatarana ka tsy vaovao amin’ny olona sasantsasany ny endrik’io lehilahy io. “Mivelona amin’ny varotra ity olona ity”, hoy ny fanazavan’ ny kapiteny lehiben’ny vondron-tobim-paritra Ambohidratrimo. Norasain’ireo tsy mataho-tody tamin’ny zava-maranitra ny faritry ny lohany ka antony ahina ho nitarika ny fahafatesany. Tsy nanana na telefaonina io olona lasibatra io, araka ny angom-baovao.
Tsy nody an-trano
“Tsy hita nanomboka ny harivan’ny alarobia 17 desambra lasa teo ilay lehilahy ”, araka ny fanazavan’ny zandarimaria misahana ny fanadihadiana. Tsy misy hatreto olona ahina ho nandray anjara mivantana tamin’ity raharaha ity fa anatin’ny fikarohana sy fanadihadiana lalina tanteraka ny mpitandro filaminana. Andrasana ny tohin’ny famotorana. Efa am-pelatanan’ny fianakaviany taorian’ny fitiliana nataon’ny mpitsabo ny nofo mangatsiakan’ilay namoy ny ainy. Marihina, nirongatra ny tranga vonoan’olona tamin’ny faritra maro samihafa tato ho ato. Renim-pianakaviana, ankizy, hatramin’ny raim-pianakaviana izay samy lasibatra avokoa. Mitarika ireo tranga ireo matetika ny fandrobana sy fanendahana izay ataon’ ireo olon-dratsy. Tsy vitan’ny mandroba ny vola eny am-pelatanan’ny lasibatra ireo mpanao ratsy fa taperiny hatramin’ny ain’ireo tsy manan-tsiny.
Tsiferana R.




