Nandray anjara tamin’ny fihaonana an-tampony, nataon’ireo filoham-panjakana eo anivon’ny Sadc ny filoha, ny Kly Randrianirina Michaël, afakomaly. Natao tamin’ny alalan’ny ampitain-davitra izany ka niresahana ny momba an’i Madagasikara.
Nankasitrahan’ireo mpivory ny fiverenan’ny fitoniana eto amintsika, sy ny fanombohan’ny governemanta ny fikaonandoham-pirenena. Vonona ho mpanara-maso sy mpanohana ny dingana rehetra ho amin’ny fanavaozana izy ireo, mandra-pahatonga ny fametrahana governemanta amin’ny alalan’ny fifidianana.
Niantso ny filoham-panjakana ny Sadc mba hanohy ny fifanakalozan-kevitra iarahan’ ny hery rehetra amin’izao vanim-potoanan’ny tetezamita izao, hanomanana ny fifidianana.
Nankatoavina tamin’izany ny hanamorana sy hanohanana ny fizotran’ny famerenana ny fitoniana politika, ny demokrasia ary ny fandriampahalemana eto Madagasikara. Hiahy manokana izany hatramin’ny marsa 2026 ny filohan’i Malawi teo aloha, ny Dr Joyce Banda miaraka amin’ ireo mpanelanelana. Hiara-kiasa amin’izy ireo koa sady iraka manokana amin’izany ny filoha Mozambikanina teo aloha, Joaquim Chissano. « Hojerena amin’izany ireo olana sy ny momba ny fanavaozana ary koa ny Lalàmpanorenena. Tafiditra ao anatin’ izany ny fanomanana ny fifidianana sy ny fanjakana tan-dalàna, mifanaraka amin’ny fifanarahana anatiny eo anivon’ny Sadc », hoy ny fehinkevitry ny fivoriana.
Fitoniana ara-tsosialy sy tany tan-dalàna…
Nankasitrahan’ny filoha, ny Kly Randrianirina Michaël ny tombana nataon’ny Sadc momba ny fiverenan’ny filaminana. Eo koa ny fanirian’izy ireo hanohy ny fanohanana ny dingan’ny fanavaozana sy amin’ny fanatanterahana ny sori-dalana, amin’ny alalan’ny fanamorana izany. Miaraka amin’ny fanelanelanana ary fanampiana, ao anatin’ny fiaraha-miasa sy fifampitokisana ary fizarana andraikitra. « Hotarihin’ny Malagasy ao anaty fanajana ny fiandrianam-pirenena ny dingan’ny fanavaozana, ary mikendry ny hisian’ny marimaritra iraisana amin’ny fanavaozana ilaina amin’ny fanamafisana ny fanjakana tan-dalàna. Ny famerenana ny fifampitokisana eo amin’ny samy olom-pirenena sy ny Andrimpanjakana, ary koa ny fanamafisana ny fitoniana ara-tsosialy », hoy ny filoha.
Synèse R.




