Vita sonia ny 16 desambra teo ny fiaraha-miasa eo amin’ny Airtel Africa sy ny orinasa Space X. Tanjona ny hahazoan’ny olon-drehetra ny internet, ampiasana ny Starlink, hatrany amin’ny toerana lavitra.
Votoatin’ny fifanarahana ny hampidirana anaty tambajotra internet hampiasana ny Starlink Direct to Cell, tambajotra amin’ny alalan’ny zanabolana. Voakasik’ izany ireo firenena aty Afrika, miisa 14 iasan’ny Airtel Africa, ahitana mpanjifa maherin’ny 174 tapitrisa. Ho fiovana sy dingana lehibe io satria ho afaka ampiasa internet ny manjifa manana smartphones na dia lavi-toerana aza. Tambajotra 4G no ampiasain’ny Starlink. Voalohany maneran-tany amin’ny fandrakofana ny internet.
Hanomboka amin’ny taona 2026 ity tolotra vaovao ity. Tafiditra ao anatin’ny fifanarahana ny antso an-telefaonina tsara kalitao, ny hafatra an-tsoratra sy ny fitaovam-pifandraisana (applications) vitsivitsy. Manana tanjaka sy hafainganam-pandeha avo 20 heny. Hampifanarahana amin’ny lalàna manan-kery isaky ny firenena tsirairay aty Afrika ny fampiasana ity tolotra ity.
Voalohany aty Afrika mampiasa ny tolotra Starlink Direct to Cell, ny Airtel Africa. Mahatratra 650 ny zanabolana rakofany mahazo ny tambajotra hatrany amin’ny toerana tena lavitra sy saro-dalana. Tanjona ny hahazoan’ny olon-drehetra mampiasa ny niomerika aty Afrika.
Hifameno amin’ny tambajotra an-tanety
Nilaza ny talen’ny fanatanterahana ny asa sady tale jeneraly Airtel Africa, Sunil Taldar, fa « vonona hanatsara ny tolotra omena ny mpanjifa hamahana ny olan’ny fisitrahana tambajotra ny Airtel. Hifameno amin’ny fotodrafitrasa an-tanety ny teknolojia Direct to Cell an’ny Starlink ».
Navoitran’ny filoha lefitry ny varotra Starlink, Stephanie Bednarek, fa « sambany hahazo tambajotra ny mponina afrikanina any amin’ny lavi-toerana. Hanome teknolojia vaovao hatrany izahay, hahazoana tambajotra haingana sy tolotra maro ».
Njaka Andriantefiarinesy




