Nivadika ny rasa

 

Tsy hay intsony izay fizotry ity raharaham-pirenena ity.  Hafa ny lazain’ny vava, hafa no tanterahina. Mivadika ho mpitari-bato vilam-bava ny ankamaroan’ny mpahazo seza. Izay tsy nahazo mbola mitatatata, milaza ho voafitaka. Miaka-pofona ka efa milaza hanongana indray. Ny henjana aza efa mahita izay manahy koa ny ainy. Tena mampametram-panontaniana, inona no tena marina?
Tsy mahefa raha ve ka mifantoka amin’ny sarintsarina fifamaliana sy fifampiandrasana kendry tohina. Mahava­riana ny mahita hoe ny nandray fahefana izao toa mitady sivily indray, hono, homem-potsiny ilay anaram-boninahitra. Misy aza ny feo miely fa misy efa nahavita Visa izany (?). Honohono daholo moa izany hatreto satria na ny filoham-panjakana, na ny mpanohana azy mbola tsy nandrenesam-peo mahakasika izany.
Ramalagasy rahateo tsy mba manana kolontsaina mi­laza mialoha na misoroko izay azo sorohina. Aleontsika mitsabo, sy mijija ny vokatra na ratsy na tsara io. Tiantsika ny mamono toy izay manao aro afo.  Mahazo aina kokoa isika rehefa tratry ny tsy azo hanoarana ka ahafahana mitsetsetra antsika. Faly ny Malagasy rehefa hatao hoe lasibatra fa tsy tompon’antoka amin’ny fahavoazany.
Raha ny fivoaran’ny zava-mitranga eto amin’ny firenena dia tokony mampisaina. Tsy natao hanimba saina bebe­kokoa akory fa mba entina hisarihana izany mba hisaina araka ny tokony ho izy tokoa. Mila fifohazam-panahy koa fa raha izao no mitohy, tsy fanavaozana no hisy etoana fa fahalovana misimisy kokoa. Mitarika any anaty hatsana lalina hatrany.
Raha fehezina, mila tohizana ilay fifoazana fony nanao fitakiana nialan-dRajoelina Andry. Tsy hoe ny olona no niova dia ampy izay. Ilay fandrodanana ny manontolo toa nanjavona tanteraka.Tsy misy resaka fiavaozana intsony fa niova fiovan’olona hanohy ny fanao ratsy taloha. Niva­dika ny rasa.

r.r

Partager sur: