Pergola Antaninarenina : Haverin-kasina ny tsangambaton-dRabobalahy

Vakoka ampovoan-tanàna, kanefa dia nisy nandoto sy nanimba. Antony nanapahana hevitra ny hamerin-kasina ny toera-malaza etsy Antaninarenina izany, satria mitana ny tantara mahaliana ny taranaka ihany koa.

Pergola Antaninarenina. Lapan’ny fanorona no fahafantaran’ny maro azy. Toerana efa nisy fahiny, satria dia ahitana ny tsangambaton’ny Printsy Rabobalahy, zanaky ny mpanjaka Radama sy Rasalimo eo. Nahita maso ireo mpilalao fanorona fa misy manao maloto ny toerana, ary lasa filokana sy fisotroana ihany koa. Tsy vitan’izay fa tena maloto no nihasimba tsikelikely izany. “Toerana ma­sina io, satria mbola tsaroako tany amin’ny taona 2000 tany rehefa mandalo eo, mbola nahita mpanasina nandrehitra labozia, nandraraka tantely ary nanoko vatomamy”, hoy ny filazan’i Zamabe Fanorona azy. Ito farany no nanaitra ny Vovonan’ny mpitan-kasina mijoro, ka niaraka nitsirika ny toerana. Tapaka fa hatao ny fanarenana ny simba, ny fanadiovana fa indrindra ny famerenan-kasina.
Avy hatrany dia nifante­nana ireo izay vonona, ka tsy niandry ela fa notontosaina omaly alakamisy ihany ny fa­nadiovana sy ny fanarenana. Izay voaangona no niaingana nanombohana ny asa.
“Ny alahady 21 desambra ho avy izao izay fotoana ankalazana ny Adijadibe dia mian­tso anareo taranaky ny Printsy Rabobalahy, ianareo mpitondra fanjakana, ny minisiteran’ ny Kolontsaina sy ny serasera, ny mpandala fomba malagasy na misampina io na mpisikina isika mpisikidy sy mpanandro, ny mpilalao fanorona, isika Malagasy rehetra hifanohana aminay ho fanantanterahana izany”, hoy hatrany ny antso avon’i Zamabe Fanorona.

Zo ny Aina

Partager sur: