“Raha tiana handroso i Madagasikara, aleo mifanome tanana sy miara-mientana”, hoy ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama tamin’ny mpanao gazety teny Tsimbazaza, omaly, tamin’ny famaranana ny fifanatrehan’ny Antenimierampirenena sy ny governemanta. Ekena ny hoe hotsarain’ny depiote ny asa vitan’ny governemanta, fa tomponandraikitra avokoa ny rehetra na mpanatanteraka na ny mpanao fanaraha-maso. Tsy hifampitsara sy fifanaratsy fotsiny amin’ny tambajotran-tserasera. Aleo atao laharam-pahamehana izay tena maika. Maro ny maika, fa lova sarotra no noraisina.
Tsy manorina fa manarina izao: tsy manorina ny hoavy, fa manarina ny zava-nisy teo. Tsy maintsy manarina satria nanaiky tamin’ny vahoaka fa hitondra fanatsarana. Tsy anjaran-dry zareo ny mitsara ny lasa, fa aleo fanatanterahana izay nifanarahana. Efa nolanin’ny Antenimierampirenena ny Politika ankapoben’ny fanjakana ho amin’ny fanavaozana sy ny fandaharanasa fampiharana. Izay no hitsarana ny governemanta, fa tsy izay nolovaina teo aloha momba ny lalana, ny jiro sy ny rano… Efa firenena farofy no nolovaina, ka hiezaka amin’izay kely ananany sy ny fotoana nomena azy ny governemanta. Nahoana no tsy hanaovana tolo-dalàna ny momba ny tambajotran-tserasera? Fahalovana no betsaka: teny ratsy, ompa, fanenjehana sy fitsarana olona…
“Jereo ny lalàmpanorenana sy ny fandaminana noraisin’ ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) tamin’ ny nametraka ny fanavaozana”, hoy kosa izy tamin’ny mpanao gazety momba ny fitakiana fanovan-drafitra sy fandravana andrimpanjakana. Tsy misy ny fampiatoana amin’ny asany ny filohan’ny Fanavaozana, tsy misy ny fitsipaham-pitokisana ho an’ny ny governemanta, ary tsy misy ny fandravana ny Antenimierampirenena. Izay ny lalàna.
R. Nd.




