Mitohy hatrany ny fisavana ny orinasa ao anatin’ny vondrona Sodiat sy ny olona akaiky ny mpandraharaha Ravatomanga Mamy hatramin’izao. Nosavain’ny mpitandro filaminana ny alin’ny talata hifoha alarobia lasa teo, ny tranon-dRavatomanga Aina etsy Mandrosoa Ivato sy ny orinasa Polymad etsy Akorondrano. Nanatanteraka izany ny mpitandro filaminana izay nisaron-tava sy nirongo fitaovam-piadiana, araka ny voarakitra tao anatin’ny « caméra de surveillance ». Nanomboka tamin’ny 12 ora alina ny fisavana ny orinasa etsy Ankorondrano. Avy eo, nankeny Mandrosoa Ivato teny amin’ny trano fonenan’i Aina Ravatomanga indray ireo mpitandro filaminana tamin’ny 1 ora maraina. Novakian’izy ireo ny trano, nopotehina ny entana, ny caméra de surveillance ary lasany nandritra izany ny fiara roa tao. Ankoatra izay, naboridan’izy ireo ny agents de sécurité izay mpiambina ny tanàna ary tsy navela niteny mikasika ireo entana lasan’ireo mpisava ireo.
Taorian’izay, nandeha nankany amin’ny tranon-dRavatomanga Mialy tetsy Alarobia Ivandry indray ireo mpitandro filaminana ireo, omaly tokony tamin’y 10 ora maraina. Tsy navela niditra ny mpanao gazety tonga teny an-toerana, sady tsy navela hitondra finday ihany koa.
Tsy nahazoana alalana
Nambaran’ny loharanom-baovao avy eo anivon’ny vondrona Sodiat, fa nahazoana alalana ny fisavana natao tetsy Alarobia Ivandry. Nisy olona avy ao amin’ny vondrona no afaka nanaraka sy nanatrika ny fisavana nataon’izy ireo, raha ny fanazavana voaray hatrany. Voalaza fa tsy nahazoana alalana kosa ny fisavana ny teny Ivato sy ny tetsy Ankorondrano. « Tsy nampiseho taratasy nahafahana nanao ny fisavana ireo mpitandro filaminana nefa sady nisaron-tava no nitondra basy », hoy hatrany ny loharanom-baovao. Tsy mbola fantatra kosa ny entana na zavatra very sy lasan’izy ireo nandritra izany. Nilaza fa mbola hiverina hanao ny fisavana indray izy ireo afaka telo andro.
Mino




